Genesis 18:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Angamba misy olona marina dimampolo ao an-tanàna; haringanao koa va ireo fa tsy mba hamindranao fo ny tanàna noho ny dimampolo marina izay ao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao ka hovonoinao koa ve ireny? Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo, raha misy izany tokoa ao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Angamba mety hisy olo-marina dimampolo ao Sôdôma. Koa haringanao ve io tanàna io? Moa tsy havelanao heloka ve izy noho ireo olo-marina dimampolo ao aminy?
Malagasy Bible 1865
Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Angamba misy olona marina dimampolo ao an-tanàna; haringanao koa va ireo fa tsy mba hamindranao fo ny tanàna noho ny dimampolo marina izay ao?
malagasy
Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao?