Genesis 18:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Sanatria Anao ny hahavita izany ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka, koa ny marina dia hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! Tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sanatria Anao izay hanao izany, ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka. Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka! Sanatria Anao izany. Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsia, sanatria aminao ny hanao izany! Raha hovonoinao miaraka amin’ny meloka ny marina, dia hitovy ny marina sy ny meloka. Sanatria Anao izany! Ianao Izay mpitsara ny tany tontolo ve no tsy hitandro ny rariny.
Malagasy Bible 1865
Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Sanatria Anao ny hahavita izany ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka, koa ny marina dia hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! Tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?
malagasy
Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?