Genesis 18:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Angamba ho latsaka dimy ny olona marina dimampolo. Moa haringanao va ny tanàna manontolo noho ny dimy? Hoy Izy: Tsy handringana Aho raha mahita olona marina dimy amby efapolo ao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Angamba ho latsaka dimy ny dimampolo marina; ka dia haringanao ve ny tanàna manontolo, noho ny dimy? Hoy izy: «Tsy handringana azy Aho, raha mahita olo-marina dimy amby efapolo ao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Angamba tsy ampy dimampolo ny olo-marina fa latsaka dimy, dia horavanao ve ny tanàna manontolo noho ny amin’ny dimy? Ka namaly ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho, raha mahita olo-marina dimy amby efapolo ao!
Malagasy Bible 1865
Angamba ho latsaka dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Angamba ho latsaka dimy ny olona marina dimampolo. Moa haringanao va ny tanàna manontolo noho ny dimy? Hoy Izy: Tsy handringana Aho raha mahita olona marina dimy amby efapolo ao.
malagasy
Angamba ho latsaka dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao.