Genesis 18:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; rehefa afaka izany dia handeha ihany ianareo; fa tonga atỳ amin’ny mpanomponareo ianareo. Hoy izy telo lahy: Eny ary, ataovy araka izay lazainao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hangalako mofo kely ianareo hataonareo tohan’aina, vao manohy ny dianareo ianareo, fa izany no nandalovanareo amin’ny mpanomponareo.» Dia hoy ny navalin’ireo: «Ataovy àry, araka izay voalazanao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho kosa handroso sakafo hohaninareo mba hampody hery anareo; avy eo vao hanohy ny dianareo ianareo, satria efa nandalo teto amiko tokoa. Dia namaly izy telo lahy hoe: –Tanteraho araka izay nambaranao àry.
Malagasy Bible 1865
dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany ianareo; fa tonga atỳ amin'ny mpanomponareo ianareo. Ary hoy izy telo lahy: Ataovy ihany araka izay nolazainao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; rehefa afaka izany dia handeha ihany ianareo; fa tonga atỳ amin’ny mpanomponareo ianareo. Hoy izy telo lahy: Eny ary, ataovy araka izay lazainao.
malagasy