Genesis 18:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nihazakazaka kosa i Abrahama nankany amin’ny omby, dia naka zanak’omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin’ny zatovo, izay lasa haingana hanamboatra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Faingàna ianao, mangalà lafarina intelon’ny famarana, ditio ka ataovy mofo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy teo i Abrahama dia nihazakazaka nankany amin’ny andian’ombiny ary naka zanak’omby matavy tsara ka nomeny ny mpanompony mba hamboariny haingana.
Malagasy Bible 1865
Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin'ny omby, dia naka zanak'omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin'ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nihazakazaka kosa i Abrahama nankany amin’ny omby, dia naka zanak’omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin’ny zatovo, izay lasa haingana hanamboatra izany.
malagasy
Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin'ny omby, dia naka zanak'omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin'ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy.