Genesis 18:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary naka rononomandry sy ronono ary ilay zanak’omby namboariny izy, dia narosony teo anoloan’izy telo lahy; nijoro teo anilan’izy telo lahy teo ambanin’ny hazo izy raha mbola nisakafo ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avy eo i Abrahama dia nandeha faingana ho any amin’ny andian’omby, dia naka zanak’omby anankiray tanora sy tsara izy, ary nomeny ny mpanompony izay nahandro izany faingana; dia nandray mena-dronono sy ronono mbamin’ilay zanak’omby efa nandrahoina izy, ary narosony izany teo anoloan’izy ireo, ary izy kosa nitsangana teo anilany, teo am-poto-kazo. Ary nihinana izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalainy ny dibera sy ronono ary ny zanak’omby efa voavoatra ka narosony tamin’ireo vahiny. Dia nihinana ireo fa i Abrahama kosa nitsangana teo akaikiny teo am-pototry ny hazo.
Malagasy Bible 1865
Ary Abrahama naka ronono mandry sy ronono ary ilay zanak'omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan'izy telo lahy; ary nijanona teo anilany teo ambanin'ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary naka rononomandry sy ronono ary ilay zanak’omby namboariny izy, dia narosony teo anoloan’izy telo lahy; nijoro teo anilan’izy telo lahy teo ambanin’ny hazo izy raha mbola nisakafo ireo.
malagasy
Ary Abrahama naka ronono mandry sy ronono ary ilay zanak'omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan'izy telo lahy; ary nijanona teo anilany teo ambanin'ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy.