Genesis 19:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankany Sodoma ireo anjely roa nony hariva ny andro, tamin’iny i Lota nipetraka teo am-bavahadin’i Sodoma iny. Nony nahita azy ireo i Lota dia nitsangana hitsena azy ary niankohoka tamin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga tao Sôdôma ny Anjely roa, nony hariva; ary i Lôta tamin’izay nipetraka teo am-bavahadin’i Sôdôma. Vao nahita azy ireo i Lôta dia tafatsangana nitsena azy, ary niankohoka tamin’ny tany ka nanao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony hariva dia tonga tao Sôdôma ireo anjely roa. Nipetraka teo am-bavahadin’ny tanàna i Lôta tamin’izay. Raha vao nahita ireo izy, dia nitsangana hitsena azy ary niankohoka teo anatrehany
Malagasy Bible 1865
Dia nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin'i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankany Sodoma ireo anjely roa nony hariva ny andro, tamin’iny i Lota nipetraka teo am-bavahadin’i Sodoma iny. Nony nahita azy ireo i Lota dia nitsangana hitsena azy ary niankohoka tamin’ny tany.
malagasy
[Ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, sy ny namonjeny an'i Lota] Dia nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin'i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin'ny tany.