Genesis 19:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy roa lahy tamin’i Lota: Mbola misy olon-kafa va ato aminao, na vinantolahinao, na zanakao lahy, na zanakao vavy? Na zovy na zovy anananao ato an-tanàna dia ento miala amin’ity tanàna ity.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy izy roa lahy tamin’i Lôta: «Inonao avy koa no mbola eto? Na zanakalahy, na zanakavavy, na inonao na inonao eto an-tanàna, dia avoahy miala amin’ity toerana ity avokoa;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ireo anjely tamin’i Lôta: –Mbola misy fianakavianao ve eto, toy ny vinantolahy na zanakalahy na zanakavavy na havana hafa? Ento mivoaka ny tanàna ireo,
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy roa lahy tamin'i Lota: Mbola manana ato koa va ianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna, ento miala amin'ity tanàna ity;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy roa lahy tamin’i Lota: Mbola misy olon-kafa va ato aminao, na vinantolahinao, na zanakao lahy, na zanakao vavy? Na zovy na zovy anananao ato an-tanàna dia ento miala amin’ity tanàna ity.
malagasy