Genesis 19:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa horavanay ity tanàna ity satria lehibe loatra ny fitarainana momba azy ireo tonga eo anatrehan’NY TOMPO, koa naniraka anay NY TOMPO handrava azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa horavanay ity fitoerana ity, satria lehibe ny fitarainana miakatra avy amin’ny mponina eto ho eo anatrehan’i Iaveh; ka nirahin’i Iaveh izahay handrava azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
satria lehibe ny fitarainana tonga eo anatrehan’ny TOMPO momba ny mponina ao aminy; koa nirahin’ny TOMPO izahay handrava azy.
Malagasy Bible 1865
fa horavanay ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan'i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa horavanay ity tanàna ity satria lehibe loatra ny fitarainana momba azy ireo tonga eo anatrehan’NY TOMPO, koa naniraka anay NY TOMPO handrava azy.
malagasy
fa horavanay ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan'i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy.