Genesis 19:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasa i Lota ka niteny tamin’ireo vinantony izay efa hanambady ny zanany vavy hoe: Miaingà, mialà amin’ity tanàna ity, fa horavan’NY TOMPO ity tanàna ity. Nefa nataon’ireo vinantony ho manao vazivazy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nivoaka i Lôta, ka nilaza tamin’ny vinantony, izay naka ny zanany vavy ho vadiny, nanao hoe: «Mitsangàna ianareo, mialà amin’ity fitoerana ity, fa horavan’i Iaveh ny tanàna.» Nataon’ireo vinantony ho manao vazivazy anefa izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nivoaka ny trano i Lôta mba hiteny amin’ireo vinantony izay hanambady ny zanany vavy ka nanao hoe: –Miaingà, ialao ity toerana ity fa horavan’ny TOMPO ny tanàna. Saingy noheverin’ireo vinantony ho manao kivazivazy i Lôta.
Malagasy Bible 1865
Dia nivoaka Lota ary niteny tamin'ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe: Miaingà, miala amin'ity tanàna ity; fa horavan'i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon'ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasa i Lota ka niteny tamin’ireo vinantony izay efa hanambady ny zanany vavy hoe: Miaingà, mialà amin’ity tanàna ity, fa horavan’NY TOMPO ity tanàna ity. Nefa nataon’ireo vinantony ho manao vazivazy izy.
malagasy