Genesis 19:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary satria nitaredretra izy dia notantanan’izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindrampon’NY TOMPO taminy; dia nitondra azy niala teo izy roa lahy ka namela azy tany ivelan’ny tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola nitaredretra anefa izy, dia noraisin’izy roa lahy tamin’ny tanany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy, fa tian’i Iaveh ny hiaro azy, dia nentiny izy, navoakany tany ivelan’ny tanàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mbola nitaredretra i Lôta, dia notantanan’ny anjely izy mbamin’ny vady aman-janany ho any ivelan’ny tanàna noho ny famindrampon’ny TOMPO taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan'izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindram-pon'i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan'ny tanàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary satria nitaredretra izy dia notantanan’izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindrampon’NY TOMPO taminy; dia nitondra azy niala teo izy roa lahy ka namela azy tany ivelan’ny tanàna.
malagasy