Genesis 19:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nahatondra azy tany ivelany izy ireo dia niteny hoe: Mandosira hamonjy ny ainao! Aza miherika ianao ary aza mijanona mihitsy eto amin’ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra mba tsy haharingana anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin’ireo Anjely: «Mandosira fa mihatra amin’ny ainao izao, ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin’ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty ianao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony efa tafavoakany tany ivelan’ny tanàna izy mianakavy, dia hoy ny anjely anankiray tamin’i Lôta: –Avoty ny ainao ka aza miherika any aoriana ary aza mijanonjanona na aiza na aiza ato amin’ny faritany; mandosira eny an-tendrombohitra, fandrao levona ianao.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin'ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nahatondra azy tany ivelany izy ireo dia niteny hoe: Mandosira hamonjy ny ainao! Aza miherika ianao ary aza mijanona mihitsy eto amin’ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra mba tsy haharingana anao.
malagasy