Genesis 19:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon’ny mpanomponareo ka matoria ato anio alina ary sasao ny tongotrareo, fa rehefa mifoha maraina ianareo vao handeha amin’izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia, fa aleo izahay hitoetra eto an-kianja ihany anio alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Izao re mba miantranoa, Tompoko, ato amin’ny mpanomponareo, mba handry anio alina; sasao ny tongotrareo dia hifoha maraina koa ianareo, dia hanohy ny dianareo ianareo.» Hoy ny navalin’izy ireo: «Tsia, ety an-kianja izahay no handry anio alina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady niteny hoe: –Miangavy re, Tompoko, mba mivilia hiantrano ao amiko ianareo; ka sasao ny tongotrareo, ary mandria anio alina fa rahampitso maraina no hanohy ny dia ianareo. Ka hoy ny navalin’ireo anjely roa hoe: –Tsia, fa ho eto an-kianja ihany izahay no handany ny alina.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon'ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia handeha amin'izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon’ny mpanomponareo ka matoria ato anio alina ary sasao ny tongotrareo, fa rehefa mifoha maraina ianareo vao handeha amin’izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia, fa aleo izahay hitoetra eto an-kianja ihany anio alina.
malagasy