Genesis 19:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa indro, misy vohitra itsy, izay akaiky handosirana sady kely! Miangavy Anao re aho, aoka handositra ao aho; tsy kely va izy io? Dia ho velona aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jereo fa misy tanàna akaiky hialofako itsy, sady tanàna kely foana, ka aoka re mba ho ao aho no handositra, fa kely rahateo io, dia ho velona aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro eto misy tanàna kely akaiky azo andosirana tsara, ka avelao aho hialoka ao. Tsy zavatra bitika ve io angatahiko io, dia ho voavonjy ny aiko?
Malagasy Bible 1865
indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna ianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa indro, misy vohitra itsy, izay akaiky handosirana sady kely! Miangavy Anao re aho, aoka handositra ao aho; tsy kely va izy io? Dia ho velona aho.
malagasy
indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna ianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko.