Genesis 19:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa noteren’i Lota fatratra izy roa lahy dia nivily tany aminy ka nandroso tao an-tranony. Nahandroany sakafo izy ireo sady nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nisakafo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niambezo mafy tamin’izy ireo anefa i Lôta ka nivily nankao aminy izy, dia niditra tao an-tranony. Nanaovany sakafo tsara izy, sy nandrahoany mofo tsy misy lalivay, ka dia nihinana izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa noteren’i Lôta fatratra izy, ka nivily ary niditra tao an-tranony. Dia nanamboarany sakafo sy nanendasany mofo tsy misy leviora ireo, ka nihinana.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa noteren'i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa noteren’i Lota fatratra izy roa lahy dia nivily tany aminy ka nandroso tao an-tranony. Nahandroany sakafo izy ireo sady nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nisakafo.
malagasy
Ary rehefa noteren'i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy.