Genesis 19:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niakatra avy tao Zoara i Lota ka nitoetra tany amin’ny tendrombohitra, izy sy ny zanany roa vavy, satria natahotra hitoetra tao Zoara izy. Nitoetra tao anaty zohy iray izy sy ny zanany roa vavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niakatra avy tao Segôra i Lôta, dia nitoetra tao an-tendrombohitra izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra ny hitoetra tao Segôra. Dia nipetraka tao amin’ny zohy anankiray izy sy ny zanany roa vavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Natahotra ny hijanona tao Tsôhara i Lôta, koa nandao ny tanàna mba handeha honina any an-tendrombohitra. Niaraka taminy koa ny zanany roa vavy; ary nipetraka tao amin’ny zohy izy telo mianaka.
Malagasy Bible 1865
Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niakatra avy tao Zoara i Lota ka nitoetra tany amin’ny tendrombohitra, izy sy ny zanany roa vavy, satria natahotra hitoetra tao Zoara izy. Nitoetra tao anaty zohy iray izy sy ny zanany roa vavy.
malagasy
[Ny niandohan'ny firenen'i Moaba Sy Amona] Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy.