Genesis 19:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha tsy mbola natory anefa izy ireo dia tonga nanodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna, ny lehilahin’i Sodoma, na ny tanora na ny antitra, izany hoe ny vahoaka rehetra tao an-tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola tsy nandry akory izy ireo, dia nanodidina ny trano ny lehilahy tao an-tanàna, dia ny lehilahy tao Sôdôma, hatramin’ny ankizy ka hatramin’ny antitra, ny vahoaka rehetra avy amin’ny tanàna manontolo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha tsy mbola nandry akory ireo, dia efa voahodidin’ny lehilahy tao an-tanànan’i Sôdôma ny trano; teo avokoa na ny antitra na ny tanora, tsy nisy avakavaka.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin'ny tanora ka hatramin'ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha tsy mbola natory anefa izy ireo dia tonga nanodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna, ny lehilahin’i Sodoma, na ny tanora na ny antitra, izany hoe ny vahoaka rehetra tao an-tanàna.
malagasy
Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin'ny tanora ka hatramin'ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna;