Genesis 19:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, manan-janaka roa vavy izay tsy mbola nahalala lahy aho; miangavy anareo aho, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo ka hanaovanareo izay sitraponareo. Fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona, fa tonga hialoka ato ambanin’ny tafon-tranoko izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manan-janaka roa vavy aho, ka tsy mbola nahalala lahy akory izy; ka ireo no aoka havoakako ho aty aminareo, hanaovanareo izay sitrakareo. Fa aza manao na inona na inona amin’izy roa lahy ireo, fa izany no nidirany hialoka ato ambanin’ny tafon-tranoko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manana zanakavavy roa mbola virijiny aho; hoentiko eto aminareo ireo hanaovanareo izay sitrakareo hatao aminy. Fa aza manao na inona na inona amin’ireo olona ireo, satria vahiniko ireo ary ao ambany tafon-tranoko.
Malagasy Bible 1865
Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; masìna ianareo, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto ambanin'ny tafon-tranoko izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, manan-janaka roa vavy izay tsy mbola nahalala lahy aho; miangavy anareo aho, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo ka hanaovanareo izay sitraponareo. Fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona, fa tonga hialoka ato ambanin’ny tafon-tranoko izy ireo.
malagasy