Genesis 2:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO Andriamanitra naka an-dRalehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena mba hiasa sy hitandrina azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nalain’i Iaveh Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin’ny sahan’i Edena, mba hiasa sy hiandry azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nalain’ny TOMPO Andriamanitra raolombelona ka napetrany tao amin’ny zaridainan’i Hedena mba hanolokolo sy hitandrina azy.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO Andriamanitra naka an-dRalehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena mba hiasa sy hitandrina azy.
malagasy
Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.