Genesis 2:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nomen-dRalehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voromanidina mbamin’ny bibidia rehetra, nefa tsy hita izay mpanampy tandrify ho an-dRalehilahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nomen-dralehilahy anarana avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha, nefa tsy hitany izay ho mpanampy an-dralehilahy mitovy aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nomen-draolombelona anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny bibidia rehetra, kanefa tsy hitany izay mpanampy sahaza azy.
Malagasy Bible 1865
Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin'ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nomen-dRalehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voromanidina mbamin’ny bibidia rehetra, nefa tsy hita izay mpanampy tandrify ho an-dRalehilahy.
malagasy
Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin'ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy.