Genesis 2:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO Andriamanitra nahasondrian-tory an-dRalehilahy ka natory izy; dia naka iray avy tamin’ireo taolan-tehezany NY TOMPO Andriamanitra ka nanakombona nofo ho solon’izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nataon’i Iaveh Andriamanitra renoky ny torimaso ralehilahy, dia natory; ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray fa nofo no nakombony ho solony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny TOMPO Andriamanitra nahatonga an-draolombelona ho sondrian-tory sy ho renoka, dia nalainy ny taolana iray tamin’ny tehezany ka nosoloany nofo.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO Andriamanitra nahasondrian-tory an-dRalehilahy ka natory izy; dia naka iray avy tamin’ireo taolan-tehezany NY TOMPO Andriamanitra ka nanakombona nofo ho solon’izany.
malagasy
Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony.