Genesis 2:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny hazo madinika maniry eny an-tsaha dia tsy mbola nisy teo amin’ny tany, ny zava-maitso eny an-tsaha koa dia tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana teto ambonin’ny tany NY TOMPO Andriamanitra sady tsy mbola nisy olona hiasa ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
teo ambonin’ny tany tsy mbola nisy hazo madinika eny an-tsaha, ary ny anana eny an-tsaha tsy mbola nisy nitsimoka, satria i Iaveh Andriamanitra tsy mbola nandatsaka ranonorana amin’ny tany; ary ny olona hamboly ny tany koa tsy mbola nisy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia tsy mbola nisy kirihitra ny tany, ary tsy nisy ahitra nitsimoka akory, satria tsy mbola nampilatsaka orana tamin’ny tany ny TOMPO Andriamanitra ary tsy mbola nisy olombelona hiasa ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin'ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin'ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny hazo madinika maniry eny an-tsaha dia tsy mbola nisy teo amin’ny tany, ny zava-maitso eny an-tsaha koa dia tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana teto ambonin’ny tany NY TOMPO Andriamanitra sady tsy mbola nisy olona hiasa ny tany.
malagasy