Genesis 20:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin’ny tranon’ny raiko Andriamanitra dia hoy aho tamin’ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin’izay tany rehetra halehantsika, dia ny filazanao ahy hoe: Anadahiko izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nampivezivezen’Andriamanitra lavitra ny tranon’ikaky aho, dia hoy aho tamin’i Sarà: Izao no fitia angatahiko hataonao amiko: Any amin’izay tany rehetra hahatongavantsika any aho lazao hoe: Anadahiko io.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nasain’Andriamanitra nandao ny tranon-draiko aho, dia hoy aho tamin’ny vadiko: «Izao no rohim-pihavanana hampiasainao amiko: Any amin’ny toerana rehetra izay halehantsika dia lazao hoe anadahinao aho.»
Malagasy Bible 1865
Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin'ny tranon'ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin'ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin'izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin’ny tranon’ny raiko Andriamanitra dia hoy aho tamin’ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin’izay tany rehetra halehantsika, dia ny filazanao ahy hoe: Anadahiko izy.
malagasy