Genesis 20:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy kosa izy tamin’i Saraha: Indro, efa nomeko sekela volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho tampi-maso noho ny aminao izany, dia amin’izay rehetra miaraka aminao ka hahazo rariny eo anatrehan’ny olona rehetra ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy koa izy tamin’i Sarà: «Nomeko volafotsy arivo sikla ny anadahinao, izany no fanampena-maso ho anao, amin’izay rehetra eo aminao sy amin’ny olona rehetra, ka dia afa-tsiny ianao izao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa izy tamin’i Sarà: –Hitanao fa nomeko volafotsy arivo ny anadahinao mba ho tampi-maso amin’izay rehetra havanao fa tsy manantsiny ianao amin’izao raharaha izao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy kosa izy tamin'i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena-maso aminao izany, dia amin'izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny ianao ny amin'izany rehetra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy kosa izy tamin’i Saraha: Indro, efa nomeko sekela volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho tampi-maso noho ny aminao izany, dia amin’izay rehetra miaraka aminao ka hahazo rariny eo anatrehan’ny olona rehetra ianao.
malagasy