Genesis 21:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Aza atao mahatezitra anao ny amin’ny zaza sy ny mpanompovavinao. Fa na inona lazain’i Saraha aminao na inona dia ekeo ny teniny; fa avy amin’Isaka no hisy taranaka hantsoina amin’ny anaranao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Aza atao mampalahelo anao ny amin’ny zaza sy ny andevovavinao, fa na inona na inona angatahin’i Sarà ekeo avokoa, satria avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranaka hitondra ny anaranao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: –Aza malahelo ny amin’ny zazalahy sy ny mpanompovavinao, fa ekeo izay rehetra nolazain’i Sarà taminao; amin’ny alalan’i Itsehàka manko no hisian’ny taranaka hitondra ny anaranao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain'i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Aza atao mahatezitra anao ny amin’ny zaza sy ny mpanompovavinao. Fa na inona lazain’i Saraha aminao na inona dia ekeo ny teniny; fa avy amin’Isaka no hisy taranaka hantsoina amin’ny anaranao.
malagasy