Genesis 21:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nifoha vao maraina i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano; nomeny an’i Hagara ireo ka napetrany teo an-tsorony, dia natolony azy koa ny zaza ary nampandehaniny izy mianaka. Lasa nandeha izy ireo ka nirenireny tany an-tany efitr’i Bery-Sheba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nifoha maraina koa i Abrahama, ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nifoha vao maraina be i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra feno rano; dia nomeny an’i Hagara izany sady napetrany teo an-tsorony, ary natolony azy koa ny zaza. Dia nalefan’i Abrahama izy mianaka ka nandeha nirenireny tao an-taniefitr’i Beera-Seba.
Malagasy Bible 1865
Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an'i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr'i Beri-sheba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nifoha vao maraina i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano; nomeny an’i Hagara ireo ka napetrany teo an-tsorony, dia natolony azy koa ny zaza ary nampandehaniny izy mianaka. Lasa nandeha izy ireo ka nirenireny tany an-tany efitr’i Bery-Sheba.
malagasy