Genesis 21:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasa izy nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tratran’ny zana-tsipìka, fa hoy izy: Aoka mba tsy ho hitako izay hahafatesan’ny zaza! Ary nipetraka tandrifiny izy dia nanandratra ny feony nitomany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary lasa izy nipetraka lavidavitra tandrifiny sahabo ho tra-tsipîka fa hoy izy: «Tsy tiako ny hahita ny hahafatesan’ny zaza.» Koa nipetraka tandrifiny izy, dia nanandra-peo ary nitomany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia lasa izy nipetraka tandrifiny tery lavidavitra tokony ho tratry ny zana-tsipîka, fa hoy izy anakampo hoe: «Aza hitako anie izay hahafatesan’ny zaza.» Fony nipetraka tandrifin’ny zaza izy, dia nanandra-peo nitomany.
Malagasy Bible 1865
Dia lasa izy ka nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan'ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasa izy nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tratran’ny zana-tsipìka, fa hoy izy: Aoka mba tsy ho hitako izay hahafatesan’ny zaza! Ary nipetraka tandrifiny izy dia nanandratra ny feony nitomany.
malagasy