Genesis 21:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ren’Andriamanitra ny feon’ny zaza ka niantso an’i Hagara avy tany an-danitra ilay Anjelin’Andriamanitra niteny taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara? Aza matahotra fa efa ren’Andriamanitra ny feon’ny zaza eo amin’izay misy azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Andriamanitra nandre ny feon’ny zaza, ka ny Anjelin’Andriamanitra tany an-danitra dia niantso an’i Agara nanao hoe: «Fa maninona izato ianao, ry Agara? Aza matahotra fa efa henon’Andriamanitra ny feon’ny zaza, ao amin’ny toerana misy azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa henon’Andriamanitra ny kiakiakan’ny zaza; koa niantso an’i Hagara avy any an-danitra ny anjeli n’Andriamanitra nanao taminy hoe: –Inona no mahazo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa henon’Andriamanitra ny kiakiakan’ny zaza eo amin’ny toerany eo.
Malagasy Bible 1865
Ary ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza, dia niantso an'i Hagara Ilay Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza eo amin'ny itoerany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ren’Andriamanitra ny feon’ny zaza ka niantso an’i Hagara avy tany an-danitra ilay Anjelin’Andriamanitra* niteny taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara? Aza matahotra fa efa ren’Andriamanitra ny feon’ny zaza eo amin’izay misy azy.
malagasy
Ary ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza, dia niantso an'i Hagara Ilay Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza eo amin'ny itoerany.