Genesis 21:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanana anaka i Saraha ka niteraka zazalahy tamin’i Abrahama na dia antitra aza izy, tamin’ny fotoana izay nolazain’Andriamanitra taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanana anaka i Sarà ka nitera-dahy tamin’i Abrahama, tamin’ny fahanterany, nony tonga ny fotoana nolazain’Andriamanitra azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitoe-jaza i Sarà na dia efa antitra aza i Abrahama, ary niteraka zazalahy izy tamin’ny fotoana izay efa nambaran’Andriamanitra taminy.
Malagasy Bible 1865
Dia nanan'anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin'i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin'ny fotoana izay efa nolazain'Andriamanitra taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanana anaka i Saraha ka niteraka zazalahy tamin’i Abrahama na dia antitra aza izy, tamin’ny fotoana izay nolazain’Andriamanitra taminy.
malagasy
Dia nanan'anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin'i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin'ny fotoana izay efa nolazain'Andriamanitra taminy.