Genesis 21:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Abimeleka: Tsy fantatro izay nahavita izany satria tsy mbola nanambara tamiko ianao ary tsy mbola nahare koa aho raha tsy vao izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy ny navalin’i Abimeleka: «Tsy mahalala izay nanao izany aho; fa ianao tsy mampandre ahy, izaho tsy nandre izany raha tsy vao izao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa namaly azy i Abimelèka hoe: –Tsy fantatro izay nanao izany zavatra izany, ary ianao koa tsy nanambara tamiko sady izao aho vao mandre izany.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Abimeleka: Tsy fantatro izay nahavita izany satria tsy mbola nanambara tamiko ianao ary tsy mbola nahare koa aho raha tsy vao izao.
malagasy
Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.