Genesis 22:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa niantso azy avy any an-danitra ilay Anjelin’NY TOMPO ka niteny hoe: Ry Abrahama ô, ry Abrahama ô! Dia namaly kosa izy hoe: Inty aho!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay niantso tany an-danitra ny Anjelin’i Iaveh nanao hoe: «Ry Abrahama! Ry Abrahama ô!» ka hoy ny navaliny: «Inty aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa niantso azy avy any an-danitra ny anjeli n’ny TOMPO ka nanao hoe: –Abrahama ô! Abrahama ô! Hoy kosa ny navalin’i Abrahama azy: –Inty aho.
Malagasy Bible 1865
Fa niantso azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa niantso azy avy any an-danitra ilay Anjelin’NY TOMPO* ka niteny hoe: Ry Abrahama ô, ry Abrahama ô! Dia namaly kosa izy hoe: Inty aho!
malagasy
Fa niantso azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho.