Genesis 22:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ilay Anjely: Aza manatsotra ny tananao amin’ny zaza ary aza maninona azy akory ianao; hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny Anjely: «Aza manainga ny tananao hamely ny zaza, ary aza maninomaninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao ho Ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy indray ilay anjely: –Aza maninji-tanana amin’io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ilay Anjely: Aza manatsotra ny tananao amin’ny zaza ary aza maninona azy akory ianao; hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.
malagasy
Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.