Genesis 22:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Andriamanitra: Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao, dia Isaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria, ary any no hanoloranao azy ho fanatitra dorana manontolo, ao amin’ny tendrombohitra iray izay holazaiko aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy Andriamanitra: «Ento ny zanakao, ilay lahy tokanao, ilay tianao, dia i Isaaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy Andriamanitra hoe: –Ento i Itsehàka zanakao lahitokana izay tianao; dia mandehana any amin’ny tany Môrià eo ambonin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko anao, ka atolory ho sorona dorana eo izy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin'ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy Andriamanitra: Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao, dia Isaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria, ary any no hanoloranao azy ho fanatitra dorana manontolo, ao amin’ny tendrombohitra iray izay holazaiko aminao.
malagasy