Genesis 22:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nifoha vao maraina i Abrahama, nanisy lasely ny borikiny ka nitondra ny mpanompony roa lahy sy Isaka zanany niaraka taminy. Namaky ny hazo harehitra amin’ny fanatitra dorana manontolo izy, dia niainga ka nankany amin’ny tany izay nolazain’Andriamanitra taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nifoha maraina koa i Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany, naka roa lahy tamin’ny mpanompony hiaraka aminy, sy i Isaaka zanany, ary namaky ny hazo hataina amin’ny sorona dorana, dia niainga nankany amin’ny tany efa nolazain’Andriamanitra azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nifoha vao maraina be i Abrahama nony ampitso. Namaky kitay hanaovana sorona izy, dia nanisy lasely ny borikiny ary niainga ho any amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra. Nentiny niaraka taminy koa ny zatovony roa lahy sy i Itsehàka zanany lahy.
Malagasy Bible 1865
Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nifoha vao maraina i Abrahama, nanisy lasely ny borikiny ka nitondra ny mpanompony roa lahy sy Isaka zanany niaraka taminy. Namaky ny hazo harehitra amin’ny fanatitra dorana manontolo izy, dia niainga ka nankany amin’ny tany izay nolazain’Andriamanitra taminy.
malagasy