Genesis 22:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nalain’i Abrahama ny hazo harehitra amin’ny fanatitra dorana manontolo ka natataony an’Isaka zanany, fa izy kosa no nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tanany. Dia niara-nandeha izy mianaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny sorona dorana, ka natataony an’i Isaaka zanany, ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany, dia niara-nandeha izy mianaka. Fa hoy i Isaaka tamin’i Abrahama rainy:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalain’i Abrahama ny kitay hanaovana sorona ka natataony an’i Itsehàka zanany; fa izy kosa nitondra ny vainafo sy ny antsy. Ary raha mbola niara-nandeha izy mianaka,
Malagasy Bible 1865
Dia nalain'i Abrahama ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana ka natataony an'Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nalain’i Abrahama ny hazo harehitra amin’ny fanatitra dorana manontolo ka natataony an’Isaka zanany, fa izy kosa no nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tanany. Dia niara-nandeha izy mianaka.
malagasy
Dia nalain'i Abrahama ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana ka natataony an'Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka.