Genesis 22:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Isaka tamin’i Abrahama rainy hoe: Dada ô! Dia hoy izy: Inty aho, anaka! Ary hoy ny zanany: Indreto ny afo sy ny kitay, fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana manontolo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Dada ô!» Ka hoy ny navaliny: «Inty aho, anaka.» Dia hoy i Isaaka: «Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto, fa izay zanak’ondry hatao sorona dorana kosa no aiza?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hoy i Itsehàka tamin’i Abrahama rainy: –Dada ô! Ka novaliany hoe: –Mihaino anao aho, anaka. Ary hoy i Itsehàka hoe: –Indreo ny vainafo sy ny kitay, fa aiza kosa ny zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo?
Malagasy Bible 1865
Ary Isaka niteny tamin'i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy Isaka tamin’i Abrahama rainy hoe: Dada ô! Dia hoy izy: Inty aho, anaka! Ary hoy ny zanany: Indreto ny afo sy ny kitay, fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana manontolo?
malagasy
Ary Isaka niteny tamin'i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana?