Genesis 23:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Efrona dia niara-nipetraka tamin’ireo taranak’i Heta. Namaly an’i Abrahama i Efrona hetita teo anatrehan’ireo taranak’i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanànany, ka niteny hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Efrôna nipetraka teo afovoan’ny zanak’i Heta. I Efrôna Heteanina namaly an’i Abrahama teo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin’ny tanànany; hoy izy taminy:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Hefrôna ilay Hetita tamin’izay dia nipetraka teo anivon’ny olona tafavory. Koa namaly an’i Abrahama izy mba ho ren’ny Hetita rehetra tonga teo am-bavahadin’ny tanàna, ka nanao hoe:
Malagasy Bible 1865
Ary Efrona nipetraka teo amin'ny taranak'i Heta; dia namaly an'i Abrahama Efrona Hetita teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin'ny tanànany, ka nanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary Efrona nipetraka teo amin'ny taranak'i Heta; dia namaly an'i Abrahama Efrona Hetita teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin'ny tanànany, ka nanao hoe: