Genesis 23:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka niteny tamin’i Efrona teo anatrehan’ireo tompon-tany hoe: Raha mba hihaino ahy ihany anefa ianao dia homeko ny vidin’ny saha; raiso avy amiko izany dia haleviko ao ny fatin’ny vadiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka niteny tamin’i Efrôna teo anatrehan’ny vahoaka tompon-tany hoe: «Aoka ihany re mba hohenoinao aho: ‹Omeko ny vidin’ny saha, ka mba raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin’ny vadiko.› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia niteny tamin’i Hefrôna mba ho ren’ny besinimaro ka nanao hoe: –Raha marina fa hihaino ahy tokoa ianao, mba raiso avy amiko ny vidin’ny saha efa natolotro; dia haleviko ao tokoa ny fatin’ny vadiko.
Malagasy Bible 1865
dia niteny tamin'i Efrona teo anatrehan'ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany ianao, dia homeko ny vidin'ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin'ny vadiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka niteny tamin’i Efrona teo anatrehan’ireo tompon-tany hoe: Raha mba hihaino ahy ihany anefa ianao dia homeko ny vidin’ny saha; raiso avy amiko izany dia haleviko ao ny fatin’ny vadiko.
malagasy
dia niteny tamin'i Efrona teo anatrehan'ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany ianao, dia homeko ny vidin'ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin'ny vadiko.