Genesis 23:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Neken’i Abrahama ny tenin’i Efrona ka nolanjainy ho azy teo anatrehan’ireo taranak’i Heta ny vola izay voalazany, dia sekela volafotsy efajato araka ny sandany eo amin’ny mpivarotra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nohenoin’i Abrahama i Efrôna ka nolanjain’i Abrahama ny vola voalazany teo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia volafotsy efajato sikla, araka ny fandraisan’ny mpivarotra azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nifanaraka tamin’i Hefrôna i Abrahama ka nandoa ny vola izay voalazany teo anatrehan’ireto Hetita, dia sekela volafotsy efajato fampiasa amin’ny mpivarotra.
Malagasy Bible 1865
Dia neken'i Abrahama ny tenin'i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin'ny mpivarotra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Neken’i Abrahama ny tenin’i Efrona ka nolanjainy ho azy teo anatrehan’ireo taranak’i Heta ny vola izay voalazany, dia sekela volafotsy efajato araka ny sandany eo amin’ny mpivarotra.
malagasy
Dia neken'i Abrahama ny tenin'i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin'ny mpivarotra.