Genesis 23:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin’ny vadiko izay nandao ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Olona hafa firenena sy vahiny eto aminareo aho, ka mba avelao aho hanana tany fandevenana eto aminareo, mba hisy hanalako ny fatin’ny vadiko tsy ho eto anoloako, sy handevenako azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Vahiny sy mpifindra monina ihany aho eto aminareo. Omeo toeram-pandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny vadiko.
Malagasy Bible 1865
Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin'ny vadiko tsy ho eto anatrehako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin’ny vadiko izay nandao ahy.
malagasy
Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin'ny vadiko tsy ho eto anatrehako.