Genesis 23:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba homeny ahy ilay zohiny ao Makpela, dia ilay eo amin’ny sisin’ny sahany; koa amin’izay vola tokony ho vidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mba hafoiny ho ahy ny zohy ao Makpelà, izay azy, eo amin’ny sisin-tsahany, mba hafoiny ho ahy eto anatrehanareo, araka izay tokom-bidiny, hataoko tany fandevenana, tena ahy tokoa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
mba hanomezany ahy ny lava-bato ao Makpelà amin’ny sisin’ny sahany. Aoka ho amin’ny tena vidiny no hanomezany azy ho ahy eto anatrehanareo ho toeram-pandevenana.
Malagasy Bible 1865
mba homeny ahy ny zohy ao Makpela izay azy, dia ilay eo amin'ny sisin'ny sahany; amin'izay vola tokom-bidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba homeny ahy ilay zohiny ao Makpela, dia ilay eo amin’ny sisin’ny sahany; koa amin’izay vola tokony ho vidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana.
malagasy
mba homeny ahy ny zohy ao Makpela izay azy, dia ilay eo amin'ny sisin'ny sahany; amin'izay vola tokom-bidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana.