Genesis 24:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nampandohalehiny teo ivelan’ny tanàna teo akaikin’ny lavaka fantsakan-drano ireo rameva, nony harivariva ny andro, dia amin’ilay fotoana fandehanan’ny vehivavy mantsaka iny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampandohalihiny teo ivelan’ny tanàna anilan’ny lavaka fantsakana ny rameva, nony harivariva tamin’ilay fivoahan’ny vehivavy hantsaka iny;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony tonga teo akaikin’ny fantsakana teo ivelan’ny tanàna izy, dia nampandohalika ny rameva, fa fotoana hariva fivoahan’ny vehivavy mantsaka tamin’izay.
Malagasy Bible 1865
Ary nampandohalehiny teo ivelan'ny tanàna tanilan'ny lavaka fantsakan-drano ny rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin'ilay fandehanan'ny vehivavy mpantsaka iny
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nampandohalehiny teo ivelan’ny tanàna teo akaikin’ny lavaka fantsakan-drano ireo rameva, nony harivariva ny andro, dia amin’ilay fotoana fandehanan’ny vehivavy mantsaka iny.
malagasy
Ary nampandohalehiny teo ivelan'ny tanàna tanilan'ny lavaka fantsakan-drano ny rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin'ilay fandehanan'ny vehivavy mpantsaka iny