Genesis 24:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba atongilano kely ny sininao hisotroako ka hamaly hoe: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho, dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an’Isaka mpanomponao. Izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka aoka izay zazavavy hilazako hoe: ‹Ahilano kely ny sininao mba hisotroako› ka hamaly hoe: ‹Misotroa, fa hampisotroiko koa ny ramevanao,› no ho ilay notendrenao ho an’i Isaaka mpanomponao. Ary izany no hahafantarako fa nampisehoanao hatsaram-po tokoa ny tompoko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izay zatovovavy hangatahako mba hampidina kely ny sininy hisotroako, ka hamaly hoe: «Misotroa ary aoka ny ramevanao hampisotroiko ihany koa!», dia amin’izay no hahafantarako fa izy no voatendrinao ho an’i Itsehàka mpanomponao ary efa naneho fahasoavana tamin’ny tompoko Ianao.
Malagasy Bible 1865
koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho: dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an'Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba atongilano kely ny sininao hisotroako ka hamaly hoe: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho, dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an’Isaka mpanomponao. Izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.
malagasy