Genesis 24:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola tsy tapitra ny teniny dia indro, tamy i Rebeka izay naterak’i Betoela, zanakalahin’i Milka, vadin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia indro tamy nitondra ny sininy teo an-tsorony i Rebekà, zanaka vavin’i Batoela zanak’i Melkà vadin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha mbola tsy nifarana akory ny teniny, dia indro tamy i Rebekà milanja siny eny an-tsorony. Io Rebekà io dia zanakavavin’i Betoela zanakalahin’i Milkà izay vadin’i Nahôra rahalahin’i Abrahama.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak'i Betoela, zanakalahin'i Milka, vadin'i Nahpra, rahalahin'i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola tsy tapitra ny teniny dia indro, tamy i Rebeka izay naterak’i Betoela, zanakalahin’i Milka, vadin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony.
malagasy
Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak'i Betoela, zanakalahin'i Milka, vadin'i Nahpra, rahalahin'i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony.