Genesis 24:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia naidiny haingana ny rano tao an-tsininy ho ao amin’ny fampisotroana ny biby ka nihazakazaka indray izy nankeo amin’ny lavaka fantsakana hanovo rano ary nantsaka ho an’ireo ramevany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nampidininy faingana teo amin’ny tavy fampisotroam-biby ny rano tao an-tsininy, ka nihazakazaka nantsaka teo am-pantsakana indray izy, ary nantsaka ho an’ny rameva rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia naidiny faingana tao anaty tavy fisotroam-biby ny rano tao an-tsiny ary nihazakazaka nantsaka indray izy, ka nantsakany avokoa ireto rameva rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary dia naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin'ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin'ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an'ny ramevany rehetra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia naidiny haingana ny rano tao an-tsininy ho ao amin’ny fampisotroana ny biby ka nihazakazaka indray izy nankeo amin’ny lavaka fantsakana hanovo rano ary nantsaka ho an’ireo ramevany rehetra.
malagasy
Ary dia naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin'ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin'ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an'ny ramevany rehetra izy.