Genesis 24:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tapitra nisotro avokoa ny rameva dia nalain-dRalehilahy ny kavin’orona volamena iray, milanja antsasaky ny sekela, sy haba fehin-tanana volamena roa, milanja sekela folo
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny masom-bolamena iray, lanjan’antsasa-tsikla, sy ny haba volamena roa, lanjana folo sikla,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tapitra nisotro ny rameva, dia naka kavin’orona volamena iray tokony ho folo grama sy haba volamena roa tokony ho zato grama avy izy ho an-drazazavavy,
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin'orona volamena iray, lanjan'ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan'ny sekely folo, hatao amin'ny tànany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tapitra nisotro avokoa ny rameva dia nalain-dRalehilahy ny kavin’orona volamena iray, milanja antsasaky ny sekela, sy haba fehin-tanana volamena roa, milanja sekela folo
malagasy
Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin'orona volamena iray, lanjan'ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan'ny sekely folo, hatao amin'ny tànany;