Genesis 24:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hitany ny kavin’orona sy ny haba fehin-tanana teny amin’ny anabaviny, sady reny ny tenin’i Rebeka anabaviny hoe: Izany no nolazain-dRalehilahy tamiko, dia nankeo amin-dRalehilahy izy; ary indro, mbola nijoro teo akaikin’ny rameva teo am-pantsakana Ralehilahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahita ny masom-bola sy ny haba tany an-tanan’ny anabaviny izy, ary nandre ny tenin-dRebekà anabaviny hoe: Izao sy izao no nolazain-dralehilahy tamiko, ka nankeo amin-dralehilahy izay nijanona teo anilan’ny rameva tao amin’ny loharano izy, ka nanao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tazany manko ny kavin’orona sy ireo haba teny an-tanan’ny anabaviny ary henony koa ny nitantarany izay voalazan’ilay rangahy. Dia tonga teo amin’ilay rangahy i Labàna; ary mbola mijoro eo anilan’ny fantsakana miaraka amin’ny ramevany izy
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitany ny kavin'orona sy ny haba teny an-tànan 'ny anabaviny, sady efa reny ny tenin-dRebeka anabaviny nanao hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko, dia nankeo amin-dralehilahy izy; ary, indro, mbola nijanona teo anilan'ny rameva teo am-pantsakana ralehilahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hitany ny kavin’orona sy ny haba fehin-tanana teny amin’ny anabaviny, sady reny ny tenin’i Rebeka anabaviny hoe: Izany no nolazain-dRalehilahy tamiko, dia nankeo amin-dRalehilahy izy; ary indro, mbola nijoro teo akaikin’ny rameva teo am-pantsakana Ralehilahy.
malagasy