Genesis 24:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niditra tao an-trano Ralehilahy; ary novahan’i Labana ny entana tamin’ny rameva ka nomeny mololo sy vilona ny rameva sady nomeny rano hanasana ny tongony sy ny tongotr’ireo olona izay niaraka taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niditra tao an-trano ralehilahy. Ary i Labàna kosa nanesotra ny laselin’ny rameva, dia nanome mololo sy vilona ho an’ny rameva, sy rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona nomba azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandroso tao an-trano ilay mpanompon’i Abrahama. Novahana ny rameva, ka nomena mololo sy vilona; ary nitondrana rano hisasan-tongotra koa ilay rangahy sy ireo olona niaraka taminy.
Malagasy Bible 1865
Dia niditra tao an-trano ralehilahy; ary Labana dia namaha ny entana tamin'ny rameva ka nanome mololo sy vilona ho an'ny rameva ary rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona izay nomba azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niditra tao an-trano Ralehilahy; ary novahan’i Labana ny entana tamin’ny rameva ka nomeny mololo sy vilona ny rameva sady nomeny rano hanasana ny tongony sy ny tongotr’ireo olona izay niaraka taminy.
malagasy