Genesis 24:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy eo dia narosony teo anoloany ny sakafo. Kanefa hoy Ralehilahy: Tsy mbola hisakafo aho raha tsy efa voalazako ny anton-diako. Ary hoy i Labana: Lazao ary!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany, naroson’i Labàna ny sakafo; fa hoy ralehilahy: «Tsy hihinana aho raha tsy efa voalazako ny teny hambarako.» «Lazao àry,» hoy i Labàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Norosoana sakafo izy nefa nilaza hoe: –Tsy mbola hihinana aho aloha, raha tsy efa voalazako izay tokony holazaiko. Ka hoy i Labàna hoe: –Lazao àry.
Malagasy Bible 1865
Dia nandroso hanina teo anoloany izy; fa hoy ralehilahy: Tsy mbola hihinana aho, raha tsy efa voalazako ny raharahako. Ary hoy izy: Lazao ary!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy eo dia narosony teo anoloany ny sakafo. Kanefa hoy Ralehilahy: Tsy mbola hisakafo aho raha tsy efa voalazako ny anton-diako. Ary hoy i Labana: Lazao ary!
malagasy
Dia nandroso hanina teo anoloany izy; fa hoy ralehilahy: Tsy mbola hihinana aho, raha tsy efa voalazako ny raharahako. Ary hoy izy: Lazao ary!