Genesis 24:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO nitahy indrindra ny tompoko ka efa tonga be ny fananany; Izy no nanome azy ondry aman’osy, omby, volafotsy, volamena, mpanompolahy sy mpanompovavy, ary rameva sy boriky maro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tompoko efa nasian’i Iaveh soa be indrindra, ka efa tonga olona be fahefana izy; fa nomeny ondry sy omby, ary mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ary rameva aman’ampondra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa notahîn’ny TOMPO tokoa ny tompoko ka tonga olo-malaza. Nomen’ny TOMPO azy ny andian’ondry aman’osy sy omby ary koa volafotsy sy volamena, mpanompolahy sy mpanompovavy betsaka, ary rameva sy boriky.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman'osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO nitahy indrindra ny tompoko ka efa tonga be ny fananany; Izy no nanome azy ondry aman’osy, omby, volafotsy, volamena, mpanompolahy sy mpanompovavy, ary rameva sy boriky maro.
malagasy
Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman'osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky.